Tsy mety tapitra ny adihevitra momba ny fizarana ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra ho Kaominina Boriborintany enina. Samy manana ny fomba fijeriny rahateo ny tsirairay saingy tokony ho ambony hatrany ny tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa.
Raha raisina ny resaka fitantanana dia hitondra fanovana goavana ity Sata manokana vaovao hifehy ny renivohitra ity rehefa mihatra satria hanapaka ny tetikasam-pampandrosoana ao aminy ny Kaominina Boriborintany fa tsy voatery hiandry ny laharam-pahamehan’ny tanànan’Antananarivo toy ny iainana ankehitriny. Hitsikafona amin’ity Sata ity koa ny «maloto» sy ny tsy nety rehetra momba ny taratasy fanorenan-trano na «permis de construire» sy ireo fotodrafitrasa miorina eny ambonin’ireny tatatra fivoahan-drano ireny. Tsy maintsy hanao fanisana ireo trano mijoro ara-dalàna ny Kaominina Boriborintany isanisany satria anisan’ny loharanom-bolany ny hetran-trano ary dia hazava eo koa ny fitantanana ireo fotodrafitrasan’ny Kaominina.
Hifindra eny amin’ny Kaominina boriborintany ny fitantanana ny tsena rehefa mihatra ity Sata manokana ity. Eny no hijerena ifotony ny vahaolana hanadiovana ny tsena hisorohana ireo karazana kolikoly mba hanatsarana ny fidiram-bola. Ho vaky bantsilana ny gaboraraka amin’ny fitantanana ny tsena izay nahitana olana hatrany, indrindra momba ireo mpivarotra sy ny haban-tsena. Ary mety tahotry ny ho very «fihinanana» sy «tombontsoa» rehefa hivoaka eo ny marina momba ireny no mahatonga ny sasany mandrisika ireo mpiasan'ny CUA higirevy fa tsy dia ilay ahiahy ny mety tsy ho voaloa karama. Rehefa miditra mantsy ny volan’ny Kaominina, tsy hisy antony tokony tsy hahaloavana ny karaman’ny mpiasa, miasa tsara. Tombontsoa maro tokoa no hateraky ny fananana Kaominina Boriboritany enina eto Antananarivo saingy mahagaga ny fahanginan’ny Minisiteran’ny Atitany, tsy manazava amin’ny mponina eny ifotony ny votoatin’ity Sata ity, hany ka hararaotin’ny sasany roritina amin’ny resaka politika sy tombontsoa manokana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.