Politique

Sata manokan’Antananarivo : Afa-baraka indray ny mpitondra !


  • Alakamisy 02 Aprily 2015

Raha tsy nahitana fanoherana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lŕlŕm-panorenana ny fametrahana ben’ny tanŕna tokana hitondra an’Antananarivo Renivohitra dia mifanohitra amin’ny lŕlŕm-panorenana ny fizarana an’Antananarivo h o boribory tany enina.

 

Lany tamin’ny ampahany ny sata mifehy ny tanànan’Antananarivo teny amin’ny Fitsarana avo momba ny làlàm-panorenana. Omaly no nivoaka ny didy avy teny amin’ity andrim-panjakana iray ity  ka nahazo fankatoavana  noho izany ny andininy ao amin’ilay sata mamaritra ny maha iray ny ben’ny tanàna hitondra an’Antananarivo.  Ambaran’ny eny Ambohidahy kosa fa tsy mifanaraka amin’ny làlàm-panorenana ny  fizarana ho boribory tany enina ny renivohitr’i Madagasikara voalaza ao amin’ny andininy faha 4 amin’ny làlàna  laharana  2015- 11 tamin’ny  25 martsa 2015. Ankoatr’izay dia nahitana fanamarihana ihany koa ny andininy faha 6 sy 7 ary ny faha 19 amin’ity sata ity raha toa ka nahazo fankatoavana avokoa ny andininy hafa. Ao aorianan’izay dia inona ary no hiseho ? Mbola hiverina any amin’ny governemanta indray ve izany ity tolo-dalàna ity ?  Koa raha izany tsy miverina afa-baraka fanindroany indray tokoa ny governemanta sy ny Solombavambahoaka ? Sa nikitika ny tsy fikitika ve ny minisitry ny  Ati-tany ka lasa sahirana? Ny vola lany tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana  indroa miantoana teny Tsimbazaza tsy lazaina intsony mahamenatra !

Andry Ratovo   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT