Politique

Sata manokan’Antananarivo Adihevitra tsy mety vita


  • Zoma 20 Martsa 2015

Mihatra amin’ny akalana indray ilay sata manokan’Antananarivo Renivohitra. Hariva ihany ny andro teny amin’ny Antenimieram-pirenena fa tsy nahitam-bahaolana ilay andininy fahenina amin’ilay sata mifehy ny tanŕnan’Antananarivo

 

. Andininy faha-6 izay manambara fa ny filankevitra kaominaly  no hanendry ny delege, ben’ny tanàna lefitra isaky ny boriborintany. Fomba tsy nankasitrahan’ny filoham-pirenena teo amin’ny fanendrena ny praiminisitra na dia  voalazan’ny lalàmpanorenana aza  ka izao  ny filankevitra indray no hanendry ny olona hanatanteraka ny fandaharanasan’ny ben’ny tanàna voafidy eo. Fanamarihana izay nataon’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara Rahasimanana Paul Bert na i Rossy. Ho an’ny Solombavambahoaka Razafimanantsoa Hanitra indray dia ny asam-baomiera mihitsy no tokony haverina satria maro tamin’reo olona nivory tao amin’ny komitin’ny fitsinjaram-pahefana no tsy mpikambana  ao amin’ity komity ity akory. Ho an’ireo Solombavambahoaka avy any amin’ny faritany  sy faritra hafa kosa dia tsotra ny  hevitry ny ankamaroan’izy ireo.  Manolotra tolo-dalàna itambarana ny Solombavambahoakan’Antananarivo dia iny no tohanan’ny maro an’isa ho fanehoana ny firaisankinan’ny Depioten’i Madagasikara. Omaly  maraina dia tonga teny Tsimbazaza ny mpiasan’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra  ka  rehefa avy nifanditra kely tamin’ny mpitandro ny filaminana teo am-bavahady dia nahazo niditra ihany nanatrika ny fivoriana. Ny minisitra mpisolo toerana ny atitany kosa, ny Jeneraly Herilanto Raveloharison dia nanazava raha nandray fitenenana fa afaka  manolotra olona telo ny ben’ny tanàna hifidianan’ny filankevitry ny tanàna. Ny antanatoha-pahefana koa no mamaritra ny  fomba fiasa. Ny ben’ny tanàna no mibaiko ireo lefiny. Araka ny vaovao  farany dia nangataka ireo solombavambahoaka ny hanemorana ny dinika mikasika ity satan’Antananarivo ity amin’ny herinandro ambony ka ny alarobia 25 martsa indray no hanaovana ny fifidianana eny Tsimbazaza, mbola hisy mialoha an’io ny fihaonan’ireo solombavambahoaka amin’ny solontenan’ny mpiasan’ny kominina Antananarivo renivohitra sy ny sefo fokontany.


Andry Ratovo 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT