Politique

Sata ifampitondran’ireo kandida Hosoniavina anio


  • Alarobia 03 Oktobra 2018

Etsy amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny etsy Anosy no hosoniavin’ireo kandida manaiky azy ilay sata ifampitondran’ireo kandida ho filoham-pirenena mandritry ny vanim-potoam-pifidianana.

 

 

 Ny hisian’ny fitoniana no tanjona, raha ny fanazavana, araka ny anarany hoe « Charte de bonne conduite et d’intégrité des candidats pour une élection présidentielle apaisée. ». Eo ihany koa ny hoe mba hifanaja araka ny soatoavina malagasy ireo kandida. Efa maro ny ahiahy napetrak’ireo kandida sasany na koa mpanohana ireo kandida mikasika azy ity ny amin’ny hoe sao dia fandrika bevava ataon’ireo vahiny na fianakaviambe iraisampirenena izany. Anisan’ny voarakitra ao ny hoe mba tsy hifanaratsy sy hifampihantsy ireo kandida fa eo koa ny hoe mba hanaiky izay valim-pifidianana mitranga eo ary raha misy tsy fahafaham-po dia mba any amin’ny manam-pahefana tompon’andraikitra no mitaraina fa tsy midina an-dalambe. Raha ny zava-misy hatreto anefa dia maro amin’ireo kandida no tsy manana fitokisana amin’ny HCC sy ny CENI ary ny fianakaviambe iraisampirenena. Heverina ho manamafy izay ahiahy izay rahateo ary mampametra-panontaniana hoe maninona no any anaty minisiteran’ny raharaham-bahiny no atao ny fifanaovan-tsonia fa tsy toeran-kafa ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT