Politique

Saraha Rabeharisoa “Zava-dehibe ny fahaleovantena ara-toekarena”


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2018

Ahoana ny fampiakarana ny farim-piainan`ny Malagasy? Tsy maintsy ny toekarena no hampiakarana azy, hoy ny kandidàn`ny PLD, Saraha Rabeharisoa satria ny mpitondra Malagasy dia mbola miankin-doha amin`ny vahiny amin`ny tetibola hananany na ny vola ampiasiany.

  Rehefa manana fahaleovantena ara-toekarena ny isam-batan`olona dia afaka manatrika ny an-davanandrom-paianana am-pahamendrena ny tsirairay. Ny ho mendrika ny tsirairay no tena voizin`ny PLD indrindra ny fandraharana majinika: Malagasy salatsalany sy vaventy. Tsy maintsy hampiakarina ny Toekarena ka raha miakatra ny fandraharahana, mitombo ny hetra miditra ao anatin`ny kitapom-bolam-panjakana. Amin`izay fotoana izay, vao afaka mahamaha ny olan`ny mpiasam-panjakana tsy hita intsony ireto. Raha mbola  tsy ny Malagasy no mifehy ny toekarena, tsy hita mihitsy izany fahaleovan-tena ara-toekarena izany. Ohatra no raisiny di any Foire Internationale de Madagascar (FIM). 90%n`ireo orinasa nanao fampirantiana sy famelabelarana amin`izany hetsika izany dia avy any ivelan`ny nosy avokoa kanefa toa tsy ampy 10% ny orinasa Malagasy. Zava-dehibe tena tokony andefasana vahaolana ary tsy maintsy hanovana satria izy tompon`ny vola no mitondra kolontsaina. Tsy afaka hiresaka mihitsy isika fa hiroborobo ny kolontsaina Malagasy. Ny kolontsaina vahiny dia miditra tanteraka eto amintsika ka eo tsy hariana ny maha tontolo iainana satria io no lova ho avela amin`ny taranaka.  Miteraka harena ny fandraharana saingy sarotra no miditra amin`izany satria tsy atosiky ny fanjakana mba hahatonga azy ho mafy, mba hananany ampy amin`ny vola ahafany manao ny toekarenany, miditra amin`ny tsena… nefa isika manao sonia amin`ny tsena lehibe be dia be toy ny COMESA, SADC… kanefa tsy hita ny tombony. Notsindriny fa toa  ampahantraina ny Malagasy satria miidy ny ara-bola. Ny “Liberal democrate”anefa dia manana lalàna mifehy an`izany hoy Saraha Rabeharisoa. Misy lalàna momban`` ny fifaninana: tokony apetraka mazava io lalàna io saingy sarontsarony no misy eto. Aleo ny Malagasy hifaninana ara-barotra amin`ny vahiny. Aiza ve dia hindram-bola 60 taona i Madagasikara? Izany ve no fanampiana ny Malagasy? Raha ny lojika ny orinasa malagasy miteraka hetra eto Madagasikara sady tokony ho reharehan`ny Malagasy saingy menatra sady malahelo ny vahoaka satria potika ireny. Ny lalàna faharoa dia ny tolotra sy tinady. Tsy tokony atao tsinotsinona ny tsena anatiny. Maninona no hasaina mamokatra vokatra tsy ho antsika? Ny lesoka eto amintsika dia ny lalàn’ny fifaninana. Raha napetraka ny mangarahara dia tsy toy izao i Madagasikara saingy varoboba no misy eto amintsika hoy hatrany ny fanazavana nentin`ny filohan`ny antoko PLD, Saraha Rabeharisoa.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT