Politique

Saraha Rabeharisoa “Ny toekarena no ampiakarana ny faripiainan’ny Malagasy”


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Anisan`ny nandray anjara tamin'ny famelabelaran-kevitra momba ny vina sy ny tetikasa, hanorenana ny ekonomika eto Madagasikara i Saraha Rabeharisoa ao amin’ny antoko PLD sdy hirotsaka ho filoham-pirenena.

 Ny toekarena dia miainga amin’ny fananana jiro ho an’ny rehetra hampandrosoana ara-toekarena ary tsy misy n’inona n’inona azo atao rehefa tsy misy hazavana. Ny taha ambany amin’ny fananana rano fisotro madio dia tokony hatao laharam-pahamehana. Manaraka izany dia hatao ho vaindohan-draharaha ihany koa ny fanamboarana lalamby ho fampandrosoana haingana ny toekarena ary hampandroso haingana ny faritra tsirairay, indrindra ireo manana ny vokatra tokony hiakatra. Tsy hatao ambanin-javatra ihany koa ny fanamboarana trano ho an’ny Malagasy satria iaraha-mahalala ny faharatsian’ny fonenana, eny fa na dia eto an-drenivohitra aza. Hotanterahina ihany koa ny fampiroboroboana haingana ny Indostria fampihodinam-bokatra eto Madagasikara. Hatao izany hanomezana asa an’ireo tanora Malagasy rehetra. Sarobidy ny tanora, hoy izy ka mila omena sehatra ahafahany mivoatra ary manamafy ny fahaizany sy ny traikefany. Hanome vahana manokana ireo tanora ao anatin'ny programan'asany amin'izao filatsaha-kofidiany izao aho. Farany ny fampirisihana ny rehetra handoa hetra amin’ny orinasa sy ny sehatra fambolena izay hezahina hatrany ny fampiroboroboana azy. Tsy maintsy hampiakarina ny toekarena ka raha miakatra ny fandraharahana, mitombo ny hetra miditra ao anatin`ny kitapom-bolam-panjakana. Miteraka harena ny fandraharahana saingy sarotra no miditra amin`izany satria tsy atosiky ny fanjakana mba hahatonga azy ho mafy, mba hananany ampy amin`ny vola ahafahany manao ny toekareny, miditra amin`ny tsena… nefa isika manao sonia amin`ny tsena lehibe be dia be toy ny COMESA, SADC… kanefa tsy hita ny tombony.


Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT