Nametra-pialana tsy ho filoha nasionalin’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara i Saraha Rabeharisoa. “Efa iray volana mahery no nametrahako fialana rehefa nitarika ny antoko nandritra ny fotoam-piasana in-droa ny tenako hatramin’ny 2009 niorenany”, araka ny fanazavany tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra omaly.
“Mbola eo ny Maitso ary ny filoha mpanorina no handray an-tanana azy”, hoy hatrany izy. Hanorina antoko vaovao miaraka amina idelôjia vaovao indray i Saraha Rabeharisoa, dia ny PDL (Parti Démocrate Libéral) rehefa tsy nahomby tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013 niaraka tamin’ny Maitso sy tara fiaingana ka tsy tafiditra ho kandida Ben’ny tanàna teto Antananarivo niaraka tamin’ny ARMADA. Anatin’ny fanamasahana ny fananganana ny PDL izy sy ny ekipany araka ny filazany. Ny mba hahafahany mivelatra kokoa ara-politika no antony nambarany. Mitranga izany rehetra amin’izao anatin’ny firesahana ny hanovana ny mpikambana amin’ny governemanta sy ny fifidianana Loholona izao. Efa anisan’ireo saika hotendrena minisitry ny ekôlôjia tao amin’io governemanta Ravelonarivo io i Saraha Rabeharisoa saingy votsotra noho ny fiarahany tamin’ny vondron’Ambodivona (?). Hanarina ny herijikany ve no nanosika an’i Saraha Rabeharisoa hanangana ny PDL, ka rehefa tsy minisitra ve tsy mba ho anisan’ireo loholona tendren’ny filohan’ny Repoblika. Politika ady gasy io !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.