Politique

Saraha Rabeharisoa Mitaky ny hanajana ny zon'ny mpifidy


  • Alarobia 05 Septambra 2018

Tonga teny amin`ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny filoha nasionaly sady kandidan`ny antoko Paika sy Lamina ho an’ny Daholobe (PLD) Saraha Rabeharisoa ny alatsinainy 03 septambra lasa teo,

 

 

 nametraka fitoriana ny hanajana ny lalàna velona hitandroana ny zon’ny mpifidy sy ny rafitra misy eto Madagasikara, indrindra izay voalaza ao amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana. Nametraka fanontaniana tamin`ny HCC ny tenany raha mety tokoa ny vanim-potoana hanaovana fihodinana faharoa izay ao anaty fahavaratra. Any amin`ny HCC ny fanapahan-kevitra rehetra ka raha hanemotra io fifidianana io amin`ny vaninandro maina mba hahafahan’ny Malagasy misafidy dia hankasitraka izany tanteraka ny tenany. Amin’ny maha Fitsarana ny HCC dia ny fampiharana ny lalàna an-tsakany sy an-davany no andraikiny. Ny Malagasy rehetra feno taona dia afaka mifidy ary manan-jo hifidy izay hitondra azy ny vahoaka Malagasy. Efa nandray anjara tamin`ny fifidianana filoham-pirenena farany teo i Saraha Rabeharisoa ary maro no lesoka tokony hojerena manokana. Anisan`ny fandaharanasany ny hanaovana teny ierana amin`ny vahoaka Malagasy ny hanitsiana ny lalàmpanorenana fa tsy hanaovana kajikajy politika na hatao amin`ny mahamety ny mpitondra izany fa lalàna fototra maharitra, hoy hatrany izy

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT