Politique

Saraha Rabeharisoa “Misy ambadika hafahafa ny fahamaroan’ny kandida”


  • Alakamisy 23 Aogositra 2018

Hisokatra ny pejin`ny fampielezan-kevitra sy ny fandatsaham-bato. Be ny lesoka hatramin`izay ary efa an-taonany maro no miaina fifidianana tsizarizary.

 

Tsiahivina fa 36 ireo kandidà nankatoavina ny firotsahany raha toa ka 46 ireo nametraka antontan-taratasy fa nolavina ny 10. Tsy mahasoa tokoa ny mitoetra ao amin`ny zavatra ratsy kanefa aleo misoroka toy izay mitsabo, hoy i Saraha Rabeharisoa, filoha nasionalin`ny antoko Paika sy Lamina ho an`ny Daholobe (PLD) sady anisan`ireo kandidà hisedra ny safidim-bahoaka amin`ny 7 novambra ho avy izao. Mifono hevitra ambadika ny didy navoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ary toa terena hiditra fihodinana faharoa tsotr`izao ny fifidianana, hoy izy. Miroso amin`ny fizarazarana vato sahady ny zava-misy ankehitriny.  Ahiana hiditra amina olana goavana ny fihodinana faharoa satria toa misy foana no mametraka ady sy sakantsakana. ary toa potehina mihitsy ny zon`ny mpifidy ankehitriny. Maloto ny fanaovana politika eto. Ny vanim-potoana hanaovana fihodinana faharoa, ohatra, dia ao anaty fahavaratra. Any amin`ny HCC ny fanapahan-kevitra rehetra ka raha hanemotra io fifidianana amin`ny vaninandro maina mba ahafahana misafidy ny Malagasy dia hankasitraka ny tenany. Efa nandray anjara tamin`ny fifidianana filoham-pirenena farany teo i Saraha Rabeharisoa ary maro no lesoka tokony hojerena. Manoloana ny fanaraha-maso ny fizotry ny fifidianana dia miankina amin`ny tsirairay satria iankinan`ny fiainam-pirenena. Tafiditra amin`ny jeopolitika i Madagasikara ka zava-dehibe ny handehanana mifidy, hijerena ny safidy handraisan`ny rehetra anjara ary mila arahina hatramin`ny farany. Miantso ny tanora hanara-maso ihany koa ny tenany mba hipetrahan`ny fahendrena amina zavatra atao. Mahakasika ny fanabeazan`ny olom-pirenena, dia eo amin`ny lafiny serasera no misy lesoka. Mila mitandrina amin`ny fanaratsiana eny amin`ny tambajotra serasera… Mila fanentanana sy fifanajana ihany koa. Mila mandajalanja ny teny havoaka ihany koa ireo mpanabe ara-panahy ao anatin`izao vanim-potoam-pifidianana izao ary tokony hotandremana ny resaka fiaviana. Zava-dehibe ny firotsahana amin’ny fifidianana fa io no fomba ahitana ny fitiavan’ny vahoaka ny hevitry ny antoko politika iray na ny fitiavany ny mpanao politika iray manokana. Mila mahatsiaro kosa anefa ny mpanao politika fa ilaina kolokoloina ny fitiavan’ny vahoaka.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT