Politique

Saraha Rabeharisoa Mila manova rafitra ny eto Madagasikara


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Vonona hatrany amin`ny fiatrehana ny fifidianana ny antoko Paika sy Lamina ho an`ny Daholobe (PLD) tarihan`i Saraha Rabeharisoa.

 

Natsidiny sahady koa fa anisan`ny fandaharanasany ny hanaovana teny ierana amin`ny vahoaka Malagasy ny hanitsiana ny lalàmpanorenana saingy toheriny hatrany fa tsy fotoana hikitikitihana izany amin`izao. Manana fahavonona ity filoha nasionalin`ny antoko PLD ity ary manana paikady hitondrana ny dimy taona manaraka amin`ny fomba mazava. Ny fahefana dia miainga avy amin`ny vahoaka, hoy izy  misy fetrany ary misy fanavaozana tokony hatao. Ny repoblika parlemantera no tena mahomby eto amintsika. Tsy fidiana mivantana intsony ny filoham-pirenena fa fidian`ny solombavambahoaka. Ny Malagasy dia toa tsy voataiza handatsa-bato sy hifidy amin`ny foto-kevitra, hoy izy.  Misy ny fanabeazana saingy tsy vitan`ny iray na roa na folo taona fa tena asa maharitra. Mila apetraka koa ny fanovana mba hahafahan`ilay vahoaka na ny firenena mivelatra. Manoloana ny tsy fahombiazan`ny mpitondra indray, ho an`ny repoblika parlemantera manokana, na tsy mahomby aza ny filoha ao anatin’ny herintaona dia azon`ilay parlemanta esorina izy fa amin`ny fomba ara-dalàna. Tsy mila midina an-dalambe intsony satria izany no mampidina toekarena, mampitsoaka mpizahatany, mahatonga ny tsy fananan’asa, ny mpamatsy vola tsy mametraka asa eto amintsika, mahatonga fampikatsoana ara-diplomatika na ara-toekarena…  ary ny praiminisitra ihany koa dia atolotry ny “coalition des partis” na fivondronana antoko politika maro. Isaky ny fokontany ihany koa dia  tokony hisy fifidianana olona miisa telo. Fantatra amin`izay ihany koa  ny olona tsy an`asa ahafahana mametraka “politique d`information” sady ialana ny kitranoantrano sy ny kolikoly. Izany hoe mametraka ny rafitra tokony havoaka amin’ny fokontany tsy miandry lava fa tonga dia miasa. Izany indrindra no fotokevitry ny “Liberal Democrate”, izany hoe ny fotoana sy ny zavatra rehetra miseho dia tokony horaisina ho tombony hanatsarana izay tokony hatsaraina.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT