Raha ny vina politikan` ny antoko PLD (Paika sy Lamina ho an`ny Daholobe) dia hametraka repoblika parlemantera eto Madagasikara satria ny fahefana dia miainga avy amin`ny vahoaka.
Fotokevitry ny “Liberal Democrate” ny rafitra, izany hoe ny fotoana sy ny zavatra rehetra miseho dia tokony horaisina ho tombony hanatsarana izay hatsaraina. Hametraka ny tany tan-dalàna ary ny fikatsahana ny fampandrosoana ny toekarena. Notsindriny manokana fa ny fifidianana irery ihany no vahaolana amin`ny toedraharaha politika ankehitriny. Manainga ny Malagasy ny tenany hitodika amin`ny fifidianana satria famindranam-pahefana io ary miandrandra ny Malagasy rehetra, indrindra ny vehivavy handray anjara mavitrika ao. Ny antoko PLD dia efa niomana amin`ny fanatrehana amin`ny fifidianana ho avy satria dimy taona lasa izay no voafaritra tamin`ny lalàmpanorenana fa hisy ny fifidianana, ka raha antoko politika marina sady sahy misehatra amin`ny fifidianana dia efa tamin`ny dimy taona no niomana. Ny paik`ady sy zavatra apetraka amin`ny firenena rahateo dia tsy maintsy miainga amin`ny fifidianana. Araka ny nambaran`ny filohan`ny PLD hatramin`izay dia mila manana toetra sy fahaiza-manao fototra maromaro izay ho filoha voafidy ho avy eo ary mba ho filoha efa niomana sy niofana ary manampahaizana no fidiana.
|
Ny taona 2015 no nanomboka niditra tamin`ny fanamafisana ny fahalemana i Saraha Rabeharisoa ary vao farany teo dia voafantin`ny vaomieran`ny filaminana sy fandriampahalemana ao amin`ny Vondrona Afrikanina ho vehivavy mediatrice FemWise Afrika. Eo anatrehan`ny zava-misy eran-tany dia mitsinjo sy mametraka izay ho tombony ho an`ny vahoaka Malagasy 26 tapitrisa ny tenany amin`ny diplaomasia misoroka na “diplomatie preventive”izay asa mangina sy tsy re kanefa dia mitera-bokatsoa tokoa ho an`ny firenena |
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.