I Saraha Georget Rabeharisoa no tsy kandida Ben’ny tanŕna eto Antananarivo Renivohitra fa izy sy ny antokony dia tsy mipetra-potsiny manoloana ny fizotry ny fanomanana ny fifidianana kaominaly hotanterahina amin’ny 31 jolay 2015.
Fantatra mantsy izao fa nametraka fitoriana eny amin’ny Filankevi-panjakana (Conseil d’État) ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara tarihiny. Mitaky ny hanafoanana ny fifidianana kaominaly sy ny hampihantonana ny fampiharana ny didim-panjakana 2015-630 manova lalàna mamaritra ny endrikendriky ny bileta tokana ny Maitso, araka ny fitoriana napetrany teo anivon’ny firaketan’ny «Conseil d’État» 2 jona 2015 eo. Manao ranolava tsy mijanona ny fanamarihana sy ny fanakianana manodidina ity fifidianana kaominaly indray mitoraka ity, fa ny Maitso izany aloha izao no tapa-kevitra ny hiroso lalina. Teo ny fiovana tampoka tamin’ny isan’ny Kaominina eto Madagasikara izay 1693 no nambara ho fanta-bahoaka avy eo niova mangingina ho 1695. Novaina tamin’ny alalan’ny didim-panjakana koa ny lalàna mifehy ny fifidianana, indrindra ny mikasika ny bileta tokana, izay noferana tsy hasiana anarana sy sarin’ny kandida. Ankoatra izay dia voatsikera mafy ho efa lany andro ny CENI-T ary efa tsy ahitana taratra ny fifandanjan-kery ao amin’ny Antenimieram-pirenena ka tokony horavana ary atsangana ny CENI araka ny voasoratra ao amin’ny lalàmpanorenana… Eny am-pelatanan’ny “Conseil d’État” ny raharaha izao, ka dia ho hita eo ny tohiny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.