“Takianay ny fahalalahan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary takianay ihany koa ny hanomezana azy ny satan’ny filoham-pirenena tsy am-perinasa tahaka ireo filoham-pirenena teo aloha rehetra”. Io no nambaran-Rtoa Sarah Zoe, mpitarika ny VOT raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany ny sabotsy lasa teo tao Antsirabe
. Matoa sahy niteny ampahibemaso fa hanohana ny fitondrana mijoro sy nampiato ny hetsika tao amin’ny Magro ny filoha Ravalomanana, dia nisy ny fifanarahana ka tokony hohajaina io, hoy izy. Takianay, araka izany, ny hanambaran’ny FFKM sy ny fanjakana foibe izay tian’izy ireo hatao marina momba ny filoha Ravalomanana satria olona manana ny hajany sy ny maha izy azy izy ka tsy tokony hatao takalon’aina tahaka izao. Mahagaga mantsy ny mikasika ny fampihavanana izay ataon’ny FFKM izay toherin’ny VOT ny fisian’ny vola mihodina ho fandraisan’anjara amin’izany satria toa sandaina vola indray ny fampihavanana izay midika fa ho hevitry ireo bolokim-bazaha sy izay manam-bola no handrafetana izany. Ny soatoavina Malagasy aza nametraka tany aloha fa : “Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”. Mikasika ny fampandrosoana moa dia nitondra fanazavana ny VOT fa mbola ny fandaharan’asan’ny filoha Ravalomanana ihany io narafitra sy mody novana anarana io satria tsy manana drafitra fampandrosoana ny mpitondra kanefa tsy ho afa-manatanteraka io izy ireo satria any amin’ny filoha Ravalomanana ny fitantanana an’io. Tsy mahazo famatsiam-bola amin’io ny mpitondra raha tsy miara-miasa amin’ny filoha Ravalomanana satria mbola ny filoha Ravalomanana no manana vahoaka eto Madagasikara, hoy ny VOT.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.