Politique

Sandros tetsy amin’ny Magro Behoririka Tsy afaka manamboatra lalana ny tsy manana lakile


  • Alarobia 04 Martsa 2015

Nampahatsiahy ny zava-nitranga tetsy Ambohimanarina no voalohan-tenin-dRangodinarison Guy Roger tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka omaly talata, ka nanamarika fa na inona na inona mitranga, tokony tsy hisy ny fanimban-javatra natao, ary resaka samy Malagasy vao mitroatra ary tonga amin’ny

famonoana olona mihitsy fa rehefa tafiditra ny vahiny dia mihenoheno fotsiny ny Malagasy ka  tokony hisaina lalina. Notateriny an-kianja koa ny tenin’ny prezidà Ravalomanana nilaza fa : ny fitiavako ny vahoaka Malagasy  izay tsapako fa anaty fahoriana lalina no nodiako eto an-tanindrazana. Mihomana amin’ny fifidianana isika ary tsy mipetrapetra-poana. Miroso hatrany amin’ny fampihavanam-pirenena izay ataon’ny FFKM isika, hoy ny hafatr’i Marc Ravalomanana.

Manitrikitrika ny tenako, hoy Raobelina Fenomanjato  fa Rajoelina sy ny forongony no nanimba firenena ka ohatra an-dRavalomanana irery no mahita ny fahorian’ny vahoaka. Tsy hoe tsy miteny dia nanota sy meloka,  hoy izy. Tsy mitady seza, vonona hanampy na mbola giazana aza ny volany. Tsy malalaka amin’ny fitenenana nefa tsy miala aminy ny mpomba azy ary tsy hamela azy ho irery ny zanany ka mila mailo sy miasa.

Ny  tanjona dia tokana, hoy i Sandros avy any Mananjary, miverina amin’ny fitondrana Ravalomanana. Eny amin’ny Antenimera indray ny mason’ny rehetra, mbola mitohy ny sata manokan’ Antananarivo, Nosy Be sy Sainte Marie. Mbola manipy ny olana any amin’ny hafa foana ny mpomba an-dRajoelina, tsy mahatadidy ny tetezamita nitondrany ny firenena tao anatin’ny kizo. Tsy misy asa, tsy misy fotodrafitrasa dia voatery manao ratsy ilay vahoaka, lasa mitovy amin’ny ambanivohitra i Antananarivo rehefa anatin’ny orana. Efa nanomboka novain-dRavalomanana ho rarivato ny lalana mba tsy hitazona rano fa tsy notohizan-dRajoelina. Ianareo no tsy afaka manamboatra lalana satria tsy any aminareo ny lakile.

Iza, hoy i Manoela no nahatonga ny firenena toy izao ka mahatezitra an’Andriamanitra ? Tamin’ny andron’iza no nototofana ny tany ka tsy mahita lalana ny rano ? Inona no mety ry filoha Hery Rajaonarimampianina, ny tsy mampiteny an-dRavalomanana sa ny miara miasa aminy ?

RHR/Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT