Politique

Sampandraharahan’ny tontolo iainana Alaotra Mangoro


  • Alatsinainy 29 Jona 2015

Tratra ny tanjona amin’ny RRI

 

 

Fahombiazana ny ezaka hahazoana vokatra haingana tany amin’ny Faritra Alaotra Mangoro eo amin’ny lafiny fikajiana ny tontolo iainana. Zanakazo 40.000 fototra no voavolin’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana sy ny ekolojika ary ny ranomasina any an-toerana tao anatin’ny 90 andro tamin’ny velaran-tany 20ha. Ankoatra izay dia efa vonona ny zanakazo 20.000 fototra hiatrehana ny taom-pambolen-kazo 2015-2016. Mitohy ny famokarana zanakazo ataon’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana any Alaotra Mangoro hanenjehana ny tetikasan’ny minisiteran’ny  fanabeazam-pirenena amin’ilay hoe mpianatra iray hazo iray. Ao Antsevabe Didy no nanatanterahana ny ezaka hahazoana vokatra haingana (RRI) ho an’ny sampandraharahan’ny tontolo iainana Alaotra Mangoro. Afa-po tamin’ny ezaka izay natao ny talem-paritra mpisolo toerana Rakotondravoninala Kiady ary nanamafy fa hanohy hatrany ny ezaka izay efa natao mba hampody ventiny ny asa rehetra natao tao anatin’ny 100 andro.


Niry A  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT