Politique

Sambatra ireo mpanondrana an-tsokosoko teo aloha … satria tsy hanenjik’azy Rajaonarimampianina


  • Talata 08 Jolay 2014

Hifototra fotsiny amin’ny fanenjehana ireo fanondranana andramena sy hazo sarobidy nanomboka tamin’ny fitondrana ara-dalŕna Rajaonarimampianina ny asa sy andraikitra hosahanin’ilay komity ifandrombonan’ireo minisitera tarihin’ny Primatiora nolanian’ny filankevitry ny minisitra.........

Tanjona napetraka ao anatin’ilay drafitrasa fanadiovana ny andramena sy hazo sarobidy ny fanafoanana ireo tahiry, ny tsy fananana famindrampo ary ny fitantanana mahomby ny tontolon’ny ala izay nampahafantarina omaly teny Antaninarenina. Vina kosa ny ahitana vokatra ao anatin’ny enim-bolana ka ny telo volana voalohany dia natao hanitsiana ireo rafitra sy lalàna mifanipaka. Anisan’izany, ohatra, ny mikasika ny lalàna miaro ny tsy maha maty manota ireo solombavambahoaka. Ny telo volana faharoa indray dia hametrahana ny varotra mangarahara sy ara-dalàna. Hohamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny mahazendana sy manaitra ao anatin’ilay drafitrasa dia ny fanapahan-kevitry ny mpitondra ankehitriny tsy hanenjika ireo raharaha goavana fanimbana sy fanapotehana ny tontolo iainana Malagasy nandritra ny vanim-potoanan’ny krizy nanomboka ny taona 2009. Raha ny fantatra anefa dia andramena sy hazo sarobidy 1.500 taonina isan-kerinandro mitentina 200 tapitrisa dolara no naondrana an-tsokosoko tany ivelany tao anatin’ny 5 taona saingy tsy niditra tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana izany, araka ny fanadihadiana nataon’ny vaomieran’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita teo aloha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT