Manahirana ny zava-misy eto amintsika amin’izao fotoana, toa misavoritaka ambony ambany izany ny tanàna. Tsy fantatra intsony izay tompon’andraikitra mahefa fa korontana etsy, fitokonana eroa, fanafihana sy famonoan’olona no re isan’andro amin’ny filazam-baovao.
Ary raha ny hita amin’izao fotoana dia tsy mbola ho rahampitso na amin’ny herinandro no hivaha ny olan’ny mpampianatra FRAM, ny an’ny Air Madagascar, ny eny amin’ny oniversite satria efa manambana ny hitokona indray ny ao Barikadimy Toamasina. Atahorana hivadika zavatra hafa ny fitokonan’ny mpiasan’ny Jirama noho ny fitoriana nataon’ny fanjakana tamina mpiasa vitsivitsy noho ilay « court circuit » eny amin’ny fonenan’ny filoham-pirenena. Ho zava-doza anefa raha toa ka manao grevy lavareny ny Jirama. Tsy maintsy hampikorontana ny famatsiana izany. Ny jiolahy an-tanàn-dehibe sy any ambanivolo dia manao izay mahadiavolana ny fony ary efa tsy matahotra mpitandro filaminana izany intsony, tsy misalasala mamono olona amin’ny fomba feno habibiana ihany koa. Mbola anaty krizy tanteraka i Madagasikara. Voaporofo izao fa kobaka am-bava marina ny tamin’ny propagandy fa vao miha aza sahirana ny Malagasy ary atsy misy mba tara-pahazavana kely akory eny amin’ny faravodilanitra hanome fanantenana fa tsy maintsy ho avy ihany ilay maraina vaovao. Ny loza dia manomboka manana toe-tsaina tia tena sy samy maka ho azy Ramalagasy, tsy te hiraharaha ny hafa intsony, miha very tsikelikely eny ilay firaisankina sy fihavanana. Izay mihitsy anefa no tanjon’ireo tao ambadiky ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 satria rehefa tsy miray hina ny Malagasy dia mora ny maka ny harena be misy eto. Ny tsirairay mihitsy no mila tonga saina sy sahy manapa-kevitra ny hijoro amin’ny toe-draharaha tahaka izao. Ny vahoaka no andriamanjaka, ka rehefa mihetsika ny vahoaka tsy misy mahatohitra. Fa rehefa ny vahoaka no matory dia izay no izy. Averina eto foana fa tsy misy ny fahagagana ho tonga tampoka eo dia hivaha ny krizy dia hanankarena daholo ny Malagasy. Mila mijoro sy miady rehefa te hanana zavatra tsara. Atao am-pisainana anefa izany fa tsy entina amin’ny mokon-doha fotsiny. Sahia mijoro !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.