Politique

SAFIDY Miadana ny fanangonam-bato ataon`ny CENI


  • Alatsinainy 12 Novambra 2018

Mitarazoka ny fomba fiasan`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana raha ny nambaran`ny fiarahamonim-pirenena Sampana Anarahamaso ny Fifidianana Ivon`ny Demokrasia Ifarimbonana (SAFIDY).

 Manomboka mandroso anefa izany ka manentana ny fahafaingany hatrany ity fiarahamonim-pirenena ity. Tokony hanafaingana ny ezaka rehetra izy ireo mba hisorohana ny fikorontanana isa-karazany, hoy Andriamoraniaina Harijaona tompon`andraikitra eo anivon`ny SAFIDY. Raha te hanana antontam-baovao marim-pototra dia mila mametraka fomba fiasa marim-pototra miaraka amin`izay. Ny famoahana ny vokatra amin`izao fotoana izao dia tamin`ny voalolohany dia somary niadana ny fanangonam-bato nataon`ny CENI, hoy ihany izy. Etsy an-kilany, raha ny tatitra nataon`ny SAFIDY dia nilamina ny fifidianana amin`ny ankapobeny ary naharisika ny olona tamin`ny fandraisana anjara. Birao fandatsaham-bato miisa 1 500 amin`ny distrika 34 ao anatin`ny faritra 7 no  nanaovan`ny safidy fanaraha-maso manokana. Ny fizarana ny kara-pifidianana ho an`ny rehetra no tokony himasoana mba tsy hahavery zo ireo mpifidy ary mila manamafy ireo fanamarinam-potoanany ireo biraom-pifidianana, hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Tsy tokony hisy fiantraikany amin`ireo voka-pifidianana kosa ireo tsy fahatomombanana hita, hoy ny sehatra mpanara-maso fifidianana SAFIDY nandritra ny tatitra momba ny fanaraha-maso izay natao tany amin`ny distrika tsirairay nandefasan`izy ireo iraka ny SAFIDY tetsy amin`ny ivonterany tao Ambatonakanga ny sabotsy lasa teo. Marihina fa ny mpanara-mason`ny fizotry ny fifidianana eto an-toerana ihany no afaka mametraka fitarainana na fitoriana eny amin`ireo tompon’andraikitra mahefa fa ny vahiny kosa dia mijanona eo amin`ny tatitra ihany.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT