Na tsy niloa-bava nivantana aza dia miaiky ny mpitondra ankehitriny fa tsy diso lalana ny filoha Marc Ravalomanana nitondra an’i Madagasikara niditra tao amin’ny vondrom-pifanakalozana SADC.
. Nilaza ampahibemaso teo anoloan’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana miatrika ny fihaonambe an-tampony faha-34 ny SADC tanterahina ao Victoria Falls, Zimbabwe hatry ny omaly i Hery Rajaonarimampianina fa «hanonitra ny fahatarana dimy taona noho ny krizy». Ny azy aza no nataony tonga aloha, fa mifototra amin’ny fanjakana tsara tantana sy ny fampihavanam-pirenena ny fampandrosoana an’i Madagasikara, sao misy fanerena ny amin’ireo andininy tsy mbola tanteraka ao amin’ny tondrozotra, indrindra ilay andininy faha-20 ampahatsiahivina azy matetika iny. Hifarana anio moa ny fihaonambe ka ho hita eo ny fehin-kevitra hivoaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.