Politique

SADC Hanafaingana ny fampodiana an’i Dada


  • Talata 23 Septambra 2014

Ao anatin’ny fotoana fohy

Efa nanamafy isika teto amin’ny Tia Tanindrazana fa tsy maintsy ho tafody ato ho ato ity filoha teo aloha ity ary dia io fa nohamafisiny, izy tenany izany omaly. Hoy indrindra Atoa Marc Ravalomanana : «   ataon’i SADC ho laharam-pahamehana ny fampodiana an’i Dada aty Madagasikara. Samy nanaiky ny rehetra fa ny fiverenako any ihany no vahaolana. Ny zavatra tapaka dia hanao ny ezaka amin’ny hahatongavako ao anatin’ny fotoana fohy izy ireo. Faharoa mbola mitohy ny fivoriana, ka mbola mijanona ireo tekinisianina mandinika ny fomba rehetra hanatanterahana izany…”. Nanamarika tsara anefa ity filoha teo aloha ity fa aleo mitandrina tsara sao misy ny manakorontana. Aoka isika mba samy hilamina tsara, hoy izy fa tsy mijanona isika raha tsy hita ny marina, ny marina dia marina foana, ary hiady foana isika. Rehefa tonga aho dia  tsy matahotra isika, tsy hihemotra isika ary tsy azon’iza n’iza hozongozonina amin’ny finoantsika. Samia mihevitra ary mitondra am-bavaka  ny tohin’ny fivoriana fa tsy ho ela dia ho avy i Dada, hoy hatrany i Marc Ravalomanana omaly raha nitafa mivantana an-telefaonina tamin’ireo mpitolona tao amin’ny Magro Behoririka be olona andro alatsinainy ny tenany.

 

Dimy taona sy tapany aty aorian’ny fifanarahan’i Maputo I izany vao tena ho tanteraka tokoa ny fiverenan’i Marc Ravalomanana an-tanindrazana, tsy mora no nahatongavana amin’izao tanjona izao fa tena ady mafy sy tolona goavana. Somary nody fanina tamin’ity fampodiana an’i Dada ity ny sehatra iraisam-pirenena nandritra ny fitondrana tetezamita, noho ny anatiny maro samihafa izay ry zareo ihany no tena mahafantatra azy. Ankehitriny kosa anefa nambara fa vita ny fifidianana madio sy mangarahara, niverina amin’ny ara-dalàna i Madagasikara, ka noho izany tsy tokony hisy intsony ny olana ny amin’ny hodian’ireo sesitany politika noho ny krizy sy ny fifandirana politika. Ny fampihavanam-pirenena rahateo tsy maintsy atao, ary tsy maintsy mandray anjara amin’io ny ankolafin-kery rehetra. Araka ny tsiliantsofina re avy any amin’ireo diplaomaty eto amintsika dia tsy afaka manakana io fodian’i Marc Ravalomanana io ny fitondrana Malagasy satria ny filoha Hery Rajaonarimampianina mihitsy no efa nanambara mazava tamin’ny 25 janoary 2014 teo teny Mahamasina fa hanohy ny fampihavanam-pirenena ny tenany ary tsy hanenjika ny teo aloha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT