Nanome voninahitra ny famaranana ny kongresin’ny antoko Tiako I Madagasikara ny sabotsy 23 mey 2015 teo teny Tanjombato ny filohan’ny antoko PSD Ruffine Tsiranana.
Fotoana nanararaotany nitondrana fiarahabana manokana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc tafaverina soa aman-tsara eto an-tanindrazana. Vanim-potoana manan-danja izao ka tokony hanaporofoana ny fiaraha-mientan’ny Malagasy tsivakivolo, hoy ity lehiben’ny antoko anisan’ny zokiny eto Madagasikara ity. Tena ilaina eto amintsika amin’izao fotoana izao ny famondronan-kery sy ny firaisankina ho fampandrosoana ny firenena, araka ny resaka fohy nifanaovana taminy. Zava-dehibe ahatongavana amin’izany tanjona goavana izany ny fametrahana fiaraha-miasa sy fifanomezan-tanana lavitry ny fihatsarambelatsihy ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Efa hirosoantsika ankehitriny moa ny fampihavanam-pirenena izay dingana mitondra mankany amin’ny fitoniana sy ny filaminana ara-politika, fepetra fototra tian’ny FFKM hovoizina eto Madagasikara amin’ny alalan’ny 4F.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.