“ Mihemotra tanteraka ny kaominina antsampanimahazo-Faratsiho ka izany no naha tapa-kevitra ahy handray andraikitra amin’ny fifidianana ho Ben’ny tanàna”, hoy Rtoa Soanambinina Berthine na Mme Mbinina. kandidà natolotry ny Tim ny tenany, vonona hanarina indray ity kaominina ambanivohitra ity.
Nambarany fa efa nitarazoka loatra ny fotoam-piasan’ireo Ben’ny tanàna am-perinasa ka tsy mifantoka intsony amin’ny fampandrosoana izy ireo fa milaza ho tsy misy vola lava izao. Miha potika hatrany ny lalana hifamoivoizana any an-toerana noho ny tsy fisian’ny fikarakarana. Mihemotra tanteraka ny kaominina amin’izao. Ampahany ihany ireo, hoy izy fa maro ny asa tokony hatao amin’izao. Ho azy manokana, ny drafitra fampandrosoana efa narafitry ny antoko Tim foibe izay itovizan’ny kaominina rehetra dia efa laharam-pahamehana ho azy ny fampandrosoana ny vehivavy sy ny fametrahana ny miralenta, fanomezana lanja ny tanora ary ny lafiny fanabeazana ny kilonga. Miisa valo moa ny kandidà nirotsaka hofidiana ao amin’ity kaominina ity ka roa izy ireo no vehivavy dia ny ben’ny tanàna am-perinasa sy ny tenany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.