Fambolen-kazo teny amin’ny Rova Ambohidratrimo no nanamarihan’ny fikambanana VOT (Vondron’olon-tsotra manohana ny filoha Marc Ravalomanana) ny 8 martsa
2015 andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Sady fandraisan’anjaran’izy ireo amin’ny fiarovana famerenan-kasina ny vakoka izy ity no fampirisihina ny vehivavy handray andraikitra amin’ny firenena, indrindra ny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa. Tonga maro ireo vehivavy mpikambana na dia teo aza ny andro ratsy midika ho fandraisan’andraikitra ho an’ny firenena. Karazan-kazo toy ny aviavy sy amotana ary hasina sy kininina fotsy no nambolen’ireo mpikambana VOT nanodidina ny lapa, niaraha-niasa tamin’ny mpiandry lapa eny an-toerana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.