Hindramiko ny teny voalaza ao amin’ny Ohabolana 10 : 12 manao hoe : « Ny fankahalana mandranitra ady fa ny fitiavana manarona fahotana hafa »
, hoy ny mpanao politika Rostand Randriampilamanana avy any Ihosy, mba hatao filamatra amin’izao vanimpotoana hivoizana ny fampihavanam-pirenena eto amintsika izao. Ka samy mba handini-tena ireo efa nitondra teto amin’ity firenena ity fa samy efa nanota avokoa, anisan’izany ny ekipan’Ambodivona. Raha nisy ny fandikana lalàna lehibe indrindra niseho dia ny fanitsakitsahana ny zava-boalazan’ny tondrozotra niaina tamin’ny tetezamita ka vavolombelon’izany tao izahay amin’ny naha-mpikambana CT taloha anay. Ka aminay ny tokony hindrahindrana hahatonga ny fampiahavanam-pirenana tena izy dia ny tsy misy afa-tsy ny fifandeferana sy fifampiresahana ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.