Taorian’ny fanehoan-kevitra nataon’i Fidèle Razara Pierre mikasika an’i Andry Rajoelina notaterintsika teto amin’ny Tia Tanindrazana tamin’ny alakamisy 22 novambra teo dia miditra an-tsehatra ihany koa nanomboka omaly zoma 30 novambra ao amin’ilay fandaharana Vangivangy
vokarin’ny radio Mivantana Fm 95.2 tantanany i Rolly Mercia “Harry Laurent Rahajason” minisitry ny serasera sy mpanolotsaina manokana ny filohan’ny tetezamita tamin’ny 2009-2013, milaza ny marina mikasika an’izany Andry Rajoelina izany izay nambarany fa mamitaka sy mandainga ary mampirevy (vahoaka) fotsiny amin’ireo fampanantenana poakaty ataony amin’izao fampielezan-kevitra 2018 izao. Na ho aiza na ho aiza dia tsy hanana toe-bola eritreretiny hampanahafana ny “Marines Amerikanina” izany ny mpitandro ny filaminana Malagasy, hoy izy, ary tsy ho vitan’ny toe-bola Malagasy ao anatin’ny 50 taona ho avy ihany koa ny hahita vola “Milliard de dollar” amerikanina avy hanaovana ny tanànan’i Toamasina ho toa an’i Miami, sy Ambatondrazaka ho toa an’i Paris ary hanaovana an’Itaosy ho Tanamasoandro ka hisian’ny flyover manapaka ny ranon’Ikopa ary farany ny hambolena “chien coton de Tuléar” any amin’ny Faritra Atsimon’ny nosy. Homban’i Rolly Mercia manana amin’iry namany voalaza ery ambony ny filazana fa raha fisehosehoana ivelany amin’ny fandihizana sy mampandihy olona dia tena angadin’ity kandida ho filoham-pirenena n°13 ity mihitsy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.