Politique

Rolland Ravatomanga Hiala sa hijanona anaty governemanta ?


  • Alakamisy 02 Oktobra 2014

Tsy mora ny fandidiana ho an’ireo mpiara-dia amin’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc mikasika ny fanapahan-kevitr’ity farany ny hanohitra tanteraka ny fitondrana Rajaonarimampianina.

Raha ny tokony ho izy dia miala avy hatrany ao anatin’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna sy mpanatanteraka ireo olon’ny ankolafy mitana andraikitra sy toerana ao anatin’ny fitantanana raharaham-panjakana ankehitriny. Voakasik’izany manokana izay olom-boatendry tamin’ny alalan’ny ankolafy Ravalomanana tahaka ny minisitry ny Fambolena sy ny Fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra Rolland Ravatomanga, izy izay filohan’ny delegasionin’ny ankolafy Ravalomanana, ary raha ny lôjika dia efa nametra-pialana avy hatrany ny tenany satria efa tsy mitovy fomba fijery amin’ny governemanta intsony izany ny ankolafy Ravalomanana misy azy. Ity farany izay tsy mbola nety naneho hevitra raha nanontanian’ny mpanao gazety ny talata lasa teo. Nezahana nantsoina tamin’ny antso an-tariby ihany koa ny tenany omaly saingy tsy misokatra ny laharana findain’ingahy minisitra. Tsara ny mampahatsiahy fa ny faran’ny herinandro lasa teo no nanambara ampahibemaso ny fahatapahan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ankolafiny sy ny fitondrana ny filoha teo aloha sesitany any Afrika Atsimo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT