Politique

Rolland Ratsiraka “Tsy handroso i Madagasikara raha mbola manafatra vary”


  • Alatsinainy 17 Septambra 2018

Nanambara ny kandida nilatsaka ho filoham-pirenena Rolland Ratsiraka nandritra ny fitsidihany ny tsenabe iraisam-pirenena ara-pamokarana andiany faharoa tetsy amin’ny Zone Forello Tanjombato fa tena mbola maro ny olana sedrain’ny mpamboly sy mpiompy Malagasy.

 

 Tsy ampy ny mpividy ny vokatra ary sarotra hatrany ny famoahana ny vokatra Malagasy, hoy izy. Maro be ireo toerana tena mamokatra eto Madagasikara saingy noho ny tsy fisiana sy ny fahasimban’ny lalana dia tsy tafavoaka ny vokatra. Izany anefa no miteraka fahasahiranana sy fatiantoky ny tantsaha ary mahatonga ny vidim-bokatra ho ambany hatrany. Raha ny famokaram-bary manokana dia antony mahatonga ny  fihenany ny tsy fahampian’ny teknika sy ny fampiofanana, indrindra ny fotodrafitrasa tahaka ny toha-drano. Tsy handroso mihitsy anefa ny toekarena ary hahantra foana i Madagasikara raha mbola hanondrana vary any ivelany, hoy ity filohan’ny antoko politika Malagasy Tonga Saina ity. Mila atao laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana ary miainga amin’ny fanamboarana haingana ireny lalana famoaham-bokatra ireny izany. Tokony hisy ihany koa ny fampiofanana sy ny fanazarana ny Malagasy mba hanome lanja ny vokatra hafa fa tsy variana amin’ny foto-tsakafo vary fotsiny. Ankoatra izay dia nanambara i Rolland Ratsiraka fa tsy milamina ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra ka tokony hojerena haingana ny vahaolana ny amin’ny tsy fandriampahalemana mba hiaina tsara ireo tantsaha ary hiantraika amin’ny fitomboan’ny mpizahatany koa izany ka hiteraka fahasalaman’ny toekarena.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT