Politique

Roland Ratsiraka « Tsy manana lolom-po amin-dRavalomanana aho… »


  • Talata 21 Oktobra 2014

Nandritra ny fitsidihana ny fanamboaran-dalana tao Ambolomadinika mivoaka ny Tanambao V, dia nanararaotra nilaza ny fahitany ny raharaha politika sy ny fiverenan’ny filoha teo aloha Atoa Marc Ravalomanana ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka.

« Tsy manana lolom-po amin-dRavalomanana aho, nefa tsy azo hodian-tsy hita kosa fa misy ireo olona no mankahala azy ary te hifofo ny aina mihitsy, izay no antony nandraisan’ny fanjakana ankehitriny fepetra entina hiarovana ny ainy », hoy Atoa Roland Ratsiraka. Nambarany hatrany fa « nanapotika ny firenena hatramin’izay ny fanomezan-danja loatra ny resaka politika ka adino ny resaka fampandrosoana ny firenena sy ny vahoaka. Amiko dia mila fihavanana isika, mila manaja lalàna isika, mila filaminana isika ary mila vonona amin’ny fampandrosoana isika ».  Nomarihan’ity filoha nasionalin’ny antoko MTS ity hatrany anefa, fa « be loatra ny tsy an’asa eto amintsika izao, milentika anaty fahantrana ny vahoaka malagasy, efa manomboka very fanantenana ny vahoaka, indrindra ny tanora malagasy amin’ny zava-misy iainany ; koa ilaina ny fifandaminana, miasa miaraka amin’ny fitondrana, ny fifanampiana ary ny fametrahana ny fihavanam-pirenena ». Raha ny momba ny fanovana ny mpikamba ao amin’ny  governemanta kosa izay anisan’ny manelingelina ny vondrona HVM ny maha minisitra an’Atoa Roland Ratsiraka, dia nambarany fa « tsy asa mora ny asa eo anivon’ny minisiteran’ny asa vaventy, satria an-taonany maro no tsy nisy ny fikojana lalana vokatry ny tsy fisian’ny famatsiam-bola, efa vita 70% na 80% ny fanamby napetraky ny minisitera izao, ary ilay 20% tsy vita dia henjehana hovitaina hatramin’ny faran’ny taona ka asa vaovao indray no atao avy eo ». Mila mametraka ny hambom-pony ny tsirairay dia miara-mibanjina ny fampandrosoana sy ny fanomezana asa ny tanora, dia hisy ny filaminam-panjakana, hoy Roland Ratsiraka namarana ny fanazavany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT