Politique

Roland Ratsiraka Nihaino ny fitarainan’ny vahoaka momba ny delestazy


  • Alatsinainy 29 Desambra 2014

Adin’ny 03 no nihaino ny fitarain’ny vahoakan’i Toamasina momba ny fahoriana ateraky ny delestazy amin’ny fiainan’ny olona sy ny fihariany ary ny filaminany, ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka

. Fihaonana natao tao amin’ny efitra fivorian’ny mpanolon-tsain’ny Tanana ny sabotsy tolakandro teo. Ny tsy fahampian’ny fanazavana sy ny fampitam-baovao “marina” sy “matotra” ataon’ny tompon’andraikitry ny Jirama foibe, no tena olana nahatonga ireny sakoroka nanimban-javatra sy nahafatesana ary nandratrana olona sy mpitandro ny filaminana ireny. “Isany niharitra ny mafy ny vahoakan’i Toamasina, na teo aza ny hetsika tany amin’ny faritra hafa, saingy tsy nisy mpihaino ka voatery navoaka ho hitan’ny fanjakana iny” hoy ireto vahoaka naneho ny heviny. Na izany dia maromaro ireo fangatahana nataon’izy ireo mba handaminana maharitra ny olan’ny jirama, ao ny fanomezana fahaleovan-tena ny jirama ampiasa ny vola miditra ao Toamasina, ny fampijanonana aloha ny fanapahana jiro ho an’ireo tsy mahaloavana faktiora, ny fanomezana herinaratra an’i Toamasina avy ao Andekaleka izay ao anatin’ny faritra atsinanana, fangatahana fanadiadiana lalina amin’ny jirama atao ho fantam-bahoaka izany, fanambarana mazava ny oran’ny fatahapahana isam-pokontany,…ary ny fanamboarana ireo fitaovana simba fa tsy hiandry hividy lava izao. Milaza ny hitondra ny fangatahana eo anatrehan’ny filan-kevitry ny governemanta sy ny filan-kevitry ny minisitra ny minisitra Roland Ratsiraka, ka ho hita eo ny tohiny zay mbola afaka roa volana eo vao ho tena ho voavaha ihany koa ny delestazy ao Toamasina, amin’ny fipetrahan’ireo fitaovana 3 ny Jirama hanome 12MW sy ny fitaovana 2 manana tanjaka 09MW eo anivon’ny Enelec izay vao nanafatra fitaovana vaovao ihany koa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT