Politique

Roland Ratsiraka Miezaka mafy maka ny fon’Antananarivo


  • Alatsinainy 20 Aogositra 2018

Namory vahoaka tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe i Roland Ratsiraka omaly ka nilazany fa hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny tenany noho ny fangatahan’ny ben’ny tanàna maro.

 

Anio amin’ny 11 ora sy sasany izy no hanatitra ny dosie filatsahan-kofidiana eny amin’ny HCC Ambohidahy. Miezaka maka ny fon’Antananarivo amin’ny alalan’ny tetikasa “Rindra Iavian’ny Raitra ho an’Antananarivo”, hatao eto Antananarivo ao anatin’ny 5 taona manaraka izy. Nambarany fa tsy maintsy homena asa ny olona noho ny fijaliany ka horaisina daholo ny anaran'ny tsy an'asa manomboka amin'ny taona ho avy dia homena izay asa izay. Amboarina ihany koa ny tanàna, toy ny lalana fa be loatra ny fitohanan’ny fifamoivoizana,... Mahazo famatsiam-bola isika ho an’ny fanamboaran-dalana, mahazo famatsiam-bola ho an’ny fampidirana rano fisotro madio satria 10% ny taham-pisotroana rano madio, hoy izy. Hisy ihany koa ny ambarany fa fanamboarana trano fonenana ho an’ny vahoakan’Antananarivo.  Tsiahivina fa laharana faha-4 izy tamin’ny fifidianana 2013, izay nahazo 9%. Ny 2,89% no azony ho an’Analamanga.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT