Politique

Roland Ratsiraka “Lalana vita amin’ny beton no mety eto amintsika”


  • Alatsinainy 13 Aprily 2015

Navadika ho tetezana vita amin’ny “beton” ilay tetezam-by efa niharatsy tao Antseranampasika, koa nijery ifotony ny fahavitan’izany sy nanara-maso ny ara-teknikany ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka sy ny ekipan’ny minisiterany ny sabotsy 11 aprily teo.

 

 


 

 Tetezana mirefy 30m eo izay ahitana lalan-droa sy fandehanan’ny mpandeha an-tongotra amin’ny andaniny roa. Maharitra 50 taona eo ny faharetan’ity tetezana ity araka ny fahitan’ny teknisian’ny minisitera azy. Izay no nahatonga ny minisitra nilaza amin’ny fanamboaran-dalana manerana ny nosy, fa hatao “beton” avokoa izany manomboka izao satria sady mora ny fanamboarana azy no mety tsara amin’ny toetr’andro eto amintsika mafana sy be orana izy ireny. Raha 1miliara ariary ny 1 km amin’ny lalana tara dia eo amin’ny 200 tapitrisa ariary kosa izany amin’ny lalana “beton”, izany hoe mahavita 5 km ny vola lany amin’ny lalana 01km amin’ny tara. Nisy koa an-kilan’izay ny asa tanamaro nataon’ny MTS nanadiovana ny lalan-drano mandalo amin’ity tetezana ao Antseranampasika ity, mba hampikoriana tsara ny rano sy nanomezana asa vonjy maika ho an’ny vahoaka ihany koa, hoy Atoa Roland Ratsiraka. Ankoatra izay, ny lalam-pirenena faha-2 izay tena efa ratsy noho ireo lavadavaka aminy, dia nambaran’ny minisitra fa hanomboka amin’ity herinandro ity ny asa fanampenana ireo lavaka aloha, alohan’ny fanamboarana azy tanteraka iandrasana vola avy amin’ny mpamatsy vola sy ny volan’ny tahiry amin’ny fanamboaran-dalana (FER)

 


 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT