Politique

Roland Ratsiraka “Efa azo ny 140 miliara Ar hanamboarana ny RN5”


  • Talata 07 Aprily 2015

Nijery sy nanao fitsidihana ara-teknika ny fanamboarana ilay lalana 500m niarahana tamina mpandraharaha sinoa tao an-tampon-tanŕnan’i Soanierana Ivongo araka ny fangatahan’ny mponina, ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka ny sabotsy teo.

Lalana namboarina ho fanamorana ny fakana ny baka mihazo an’Ambatosoa sy maka vedety hihazo ny nosy Sainte Marie. Nandritra izany koa no nilazan’ny minisitra fa efa azo ny vola 140 arivo tapitrisa ariary (60 tapitrisa dolara), hanamboarana ny lalam-pirenena faha-5 (RN5) Soanierana Ivongo-Mananara avaratra. Ny 80km amin’ny 120km ihany anefa no zakan’ny vola ka eo am-pitadiavana ny ambiny izy ireo izay hiakatra depiote amin’ny volana mey izao. Ny olana ihany koa ho an’ny minisitera dia ny fahasimbana eo amin’ny moteran’ireo baka miasa amin’ny RN5 Soanierana Ivongo – Mananara avaratra. Efa manao ezaka ny talem-paritry ny asa vaventy Toamasina tsy hisian’ny fikatsoana, saingy efa antitra ny motera ka miteraka olana tampoka indraindray. An-kilan’izay, dia nangataka ny hanamboarana ireo lalantany ao an-tampon-tanàna sy lalana 4km mampifandray amin’ireo kaominina manodidina ny mponina. Ankoatra ireo, ho famalifaliana ny vahoakan’i Soanierana Ivongo, dia nisy ny fifaninanana nokarakarain’ny antoko Malagasy Tonga Saina (MTS), tamin’ny alalan’ny hazakazaka Scooter, an-tongotra, ary baolina kitra amin’ny torapasika.

 

Rakoutou

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT