“Tsy misalovana an’iza na iza aho raha tonga teny Tsimbazaza nanazava ny asan’ny minisitera tantaniko, fa noho ny fandaharam-potoan’ny Antenimieram-pirenena voarain’ny minisitera dia tonga namaly ny fanontanian’ireo depiote aho”.
Izay no fanazavana nomen’ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka, mikasika ilay zava-nitranga nampifanolana azy sy ny praiminisitra tao Tsimbazaza, nandritra ny fihaonany tamin’ireo olona nasaina manokana niatrika ny fanazavany ihany koa ny asa ataon’ny minisiteran’ny asa vaventy ankehitriny tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Le Neptune”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.