Voatery nahemotra amin’ny sabotsy 06 oktobra izao indray ilay hetsika “Zay Gasy Sahy Mandroso” nokasain’ny fikambanana Za’Gasy natao ny sabotsy 22 septambra teo ho fankalazana ny tsingerin-taona faha-2
niorenany sy hitaterana ny vokatr’ireo fitetezam-paritra nataony tamin’ity 2018 ity ka hisarihana ny sain’ireo kandidà ho filoham-pirenena amin’ireo zavatra tena katsahan’ny vahoaka tany amin’ireo tany nolalovany ireo ary koa hilazan’ity fikambanana ity ny heviny marina mahakasika ny resaka politika ankehitriny manoloana ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy sy ny kandidà mety hotohanan’izy ireo. Nambaran’Atoa Ratiharison Jean Navandahy filohan’ity fikambanana ity teny Ambohimitsimbina misy ny foibeny tamin’ny sabotsy teo fa tsy nahazo alalana avy amin’ny CUA ny hanatanterahana an’ity hetsika ity ny Za’Gasy noho ny tsy fahatongavan’ny fangatahana 15 andro mialoha ny hetsika.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.