Politique

RNDC Vonona hiditra anaty fitondrana


  • Alakamisy 22 Janoary 2015

Mbola hadino tanteraka fa tsy mba nakana hevitra akory ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ao anatin’ny RNCD, hoy ny filohany Rakotorova Rabetsara Lita omaly, tamin’ny fandrafetna ny fitantanana ny ministera izay misy mihitsy ny fanoratana izany resaka fanjifana izany ety ivelany.

  Efa tany am-boalohany mbola tsy voateny tanaty minisitera izany resaka fanjifana izany dia efa naneho ny fahavononanay handray anjaram-pitantanana tao anatin’izany ministeran’ny varotra izany izahay, hoy izy. Ankehitriny dia mbola soson-kevitra arosonay tambazotra nasionalin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa ny hanatsarana izany fomba fitantanana ity minisitera ity izany sy ny fiarovana ny mpanjifa ao anatiny. Satria tsy nohenoina izahay tamin’ny fitondrana voalohan’ny Repoblika faha-4 teo dia heverinay fa ny fanananay toerana eo anivon’ny fitondram-panjakana mihitsy no hahazoanay mampihatra ny tolokevitray. Tsy manery ny fitondrana akory izahay raha milaza izany, hoy Rabetsara Lita fa mampahafantatra azy fotsiny fa hanananay ny traikefa handrindrana izany fiarovana ny zon’ny mpanjifa izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT