Fito andro katroka anio ny fe-potoana farany omen`ny lalàmpanorenana an`i Hery Rajaonarimampianina hitondrany firenena. Araka ny voalazan`ny andininy faha-47
dia telopolo andro farafahakeliny ary enimpolo andro farafahelany alohan'ny fiafaran'ny fe-potoana itondran'ny filohan'ny repoblika am-perinasa no anaovana ny fifidianana. Ny filohan'ny Antenimierandoholona no misahana vonjimaika ny asan'ny filoham-pirenena mandra-pahatongan'ny vaovao. Tsy maintsy hiroso amin`ny famindram-pahefana i Rivo Rakotovao sy Hery Rajanarimampianina amin`ny 7 septambra ho avy izao farafahatarany. I Rivo Rakotovao ve hanaja ny sata mifehy ny maha filoha vonjimaika azy ? Sa hanao fisandohana andraikitra toa an`i Andry Rajoelina ? Ohatra, hisalotra samboady sy “collier présidentiel”. Ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka ihany mantsy no mahazo misalotra an`ireo fitaovana voalaza ireo ary resaka etika politika izany. Tsy voafidy fa apetraka mantsy i Rivo Rakotovao ary mijanona eo amin`ny famindram-pahefana ihany raha ny tokony ho izy. Manohy kosa ny asan`ny filoham-pirenena izay hodimbiasany izy ary mijanona amin`ny fampandehanan-draharaha fa tsy afaka mamonjy fihaonambe iraisam-pirenena na manao fifanarahana amin`ny firenen-kafa ihany koa, indrindra fifanarahana mamatotra. Mahakasika ny lapan`Iavoloha indray dia toerana iasana ihany fa tsy azon’ny filoha vonjimaika ipetrahana noho izy tsy voafidim-bahoaka. Mbola manjavozavo tokoa ny nahatonga azy ho filohan`ny Antenimierandoholona nanoloana ny fahabangan-toerana, taorian’ny nahalany an’i Ahmad ho filohan’ny CAF (Confédération Africaine de Football). Ny azo antoka dia resaka politika no nahatonga azy teo ary maika ery ny tenany hitondra firenena. Antenaina mba hanaraka ny lalàna mifehy ny Repoblika i Rivo Rakotovao ary hanaja ny asa maha filoha azy izay tsy azo ampirafesina aminà asam-panjakana na asan'olom-boafidy hafa, na asa hafa. Eo ny tsy fampirafesana aminà asa ao anatine antoko politika; indrindra amin`izao fotoam-pifidianana izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.