Tonga nampandre ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao, mikasika ny fametrahan’izy ireo eny anivon’ny tompon’andraiki-panjakana mahefa ny fitoriana mikasika ny fahatrarana kara-panondro
sy kara-pifidianana tamina faritra maro teto Madagasikara tetsy Ambohitsorohitra omaly ny delegasionina avy amin’ny kandida Marc Ravalomanana izay notarihin’ny solombavambahoaka, Hanitra Razafimanantsoa sy ny filohan’ny antenimierandoholona teo aloha, Rajemison Rakotomaharo. Raha ny fanazavana, fanamafisana ny vaovao nomen’ny avy eo anivon’ny tranoprintim-pirenena izy io. Na ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao aza niaiky fa efa henony ny mikasika ny fipariahan’ireto karatra sandoka ireto ary efa nisy ny fanadihadiana natao mikasika azy io. Heverina fa tsy ho baiko avy amin’ireo kandida roalahy velively mihitsy ny baiko mikasika ity fikasana hanao hoso-pifidianana ity fa mety avy amin’ireo manodidina azy ireo. Tsy azo ekena mihitsy ny hoso-pifidianana. Mila fifidianana eken’ny rehetra, indrindra, eken’ireo kandida roa tonta isika, hoy hatrany i Rivo Rakotovao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.