Politique

Rivo Rakotovao “Tsy ankasitrahana ny fanodinkodinana safidim-bahoaka”


  • Alarobia 02 Janoary 2019

Niarahaba ny vahoaka Malagasy noho ny asaramanitra ny Filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao, ka nirary ny sokajin’olona rehetra hahatratra ny tanjona hotratrarina amin’ity taona vaovao 2019 ity.

 

 

 

 Tao anatin’izany ihany koa no niresahany ny mahakasika ny fifidianana sy ny raharaham-pirenena, ka nilazany fa mangetaheta fifidianana madio sy mangarahara ny Malagasy ary tinadin’ny vahoaka ny hifanojoan’ny voka-pifidianana amin’ny maro an’isa ara-tsosialy sy ny maro an’isa ara-politika. Izany rahateo no miantoka ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana ary ny fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna. Na izany aza anefa, hoy i Rivo Rakotovao dia mila mahay mandresy sy mahay resy isika, ary mila haverina ny voalazan’ny kolontsain-drazana hoe: izay maharesy tsy hobiana ary ny resy tsy hakoraina. Ny fifidianana mantsy dia fototra sy rain’ny demokrasia hanendren’ny vahoaka izay homeny ny fahefana hitantana azy ao anatin’ny fotoana voafetra. Miantoka ny maha fitondrana Repoblikanina ny firenena iray izany, ka ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona dia fitsipahana sahady ny safidy Repoblikanina, hoy i Rivo Rakotovao. Tsy mendrika ny Malagasy mpiray tanindrazana intsony izany, hoy izy. Neneho fisaorana ny vahoaka Malagasy, ny mpiara-miombon’antoka,… nampiseho fahendrena nandritra ny zotram-pifidianana. Nisy ny ezaka vita tamin’iny taona 2018 iny, ka ho avy ny fifampiarahabana nahatratra ny taona hiresahana izany, raha ny nambarany. Nirary izay ho mpitondra vaovao sahady izy mba hobaikoin’ny fitiavan-tanindrazana ka hamaly ny hetahetam-pihatsaram-piainana andrandrain’ny besinimaro. Tsy ho alina foana ny andro fa tsy maintsy ho avy ny maraina ho an’ny vahoaka Malagasy, ka ho taon-jina ho an’ny rehetra ny 2019, hoy ny firarian-tsoa nataony.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT