Tototry ny fanakianana mivaivay ankehitriny ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI.
Tsy mety mifarana ny lisitr’ireo tsy fahatomombanana tsikaritra sy taterin’ireo mpanara-maso isan-karazany manerana ny faritanin’i Madakasikara. Mpanao politika, mpanara-baovao, mpitondra fanjakana koa aza dia samy manome izay tsikera izay avokoa. Tao ny mitaky ny fametraham-pialan’ireo tomponandraikitr’ity vaomiera tsy nahomby tamin’ny adidiny ity ary ao koa izay mitady ny handravana azy. Nisy koa ireo tranga mamofompofona politika toy ny fahamaizana trano maro tetsy Anosibe sy ny fahamaizan’ny orinasa Filatex etsy Ankadimbahoaka. Tsy re feo mihitsy anefa hatreto ny filoham-panjakana izay nisolo toerana ny filoham-pirenena teo aloha, Rivo Rakotovao. Ombay mitady.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.