Manomboka maka ny toerana maha filohan’ny Repoblika mpisolo toerana azy i Rivo Rakotovao.
Ny Lapan’Ambohitsorohitra no toeram-piasany satria mbola manan-jo hipetraka eny Iavoloha mandritra ny 6 volana ny filoha teo aloha. Efa nandray diplaomaty roa tao izy omaly, dia ny iraky ny Vondrona Afrikanina Ramtane Lamamra sy ny ambasadaoron’ny Frankôfônia Malik Sarr, izay tonga niarahaba an’i Rivo Rakotovao amin’izao andraikitra omen’ny lalàmpanorenana azy izao. I Malik Sarr dia nanasa an’i Rivo Rakotovao ho avy any Armenie amin’ny fihaonambe faha-17 ny Frankôfônia hotanterahina amin’ny volana ambony io. Raran’ny lalàna tsy hampirafy ny asa maha filohan’ny Antenimierandoholona izay nosahaniny teo aloha sy ny maha filohan’ny Repoblika mpisolo toerana azy i Rivo Rakotovao. Hivory anio talata 11 septambra ny birao maharitra hamantarana izay ho filoha vonjimaika. Io no hiantsoroka ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Antenimierandoholona. Rivo Rakotovao no manendry ny iray amin’ireo filoha lefitra enina ho amin’izany toerana izany araka ny fitsipika anatin’ny Antenimierandoholona. Rehefa tsy manendry izy dia ny zokiolona amin’ireo filoha lefitra enina no mandray ny toeran’ny filoha mpisolotoerana io mitarika fivorian’ny birao maharitra manatanteraka fifidianana, ary ampahafantarina ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny vokatr’izany. Hanatrika eny ny filoha Rakotovao sady hanaovam-beloma azy. Miverina amin’ny toerana maha filohan’ny Antenimierandoholona kosa i Rivo Rakotovao rehefa voafidy, ka mahavita ny fianianany ny filoham-pirenena vaovao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.