Politique

Rivo Rakotovao Noferan’ny HCC tsy hampirafy


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Nametra-pialana ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina omaly ka i Rivo Rakotovao no hisolo toerana azy mandritra ny fotoana voafetra.

 

 

 Araka ny lalàmpanorenana, ny filohan`ny antenimierandoholona no mpisolo toerana ny filoham-pirenena raha toa ka hisedra safidim-bahoaka ity farany. Ho fampiharana an’io dia i Rivo Rakotovao, filohan`ny Antenimierandoholona am-perinasa, no hitantana ny fampandehanan-draharaha andavanandro amin`ny maha filoham-pirenena mpisolo toerana azy, izany hoe fanaovan-tsonia ireny antontan-taratasy ataon`ny filoham-pirenena sonia ireny. Iza kosa no hitantana ny Antenimierandoholona ? Araka ny didy fanapahana laharana 30-HCC/D3 and. faha-3 navoakan`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) omaly 7 septambra 2018 dia misy ny fahabangan`ny toerana. Raha ny lalàna mifehy ny Antenimiera dia ny governemanta no mampiantso ny Loholona hanao fivoriana tsy ara-potoana ka amin`izay no hanatanterahana fifidianana izay hisolo toerana an`i Rivo Rakotovao. Manahy ny mpanara-baovao amin`ny fizotran`ny toe-draharaham-pirenena. Ahiana ny fifandonana ato ho ato eo amin`ny filoha mpisolo toerana sy ny praiminisitra lehiben`ny governemanta, indrindra eo amin`ny fitsabahana andraikitra eo amin`ny roa tonta. Araka ny didy fanapahana 18-HCC/D3 tamin'ny 25 mey 2018 navoakan'ny HCC dia milaza fa izay rehetra manodidina ny fifidianana dia sahanin`ny praiminisitra. Ny fanatanterahana ny politika ankapoben`ny fanjakana kosa dia andraikitry ny filoha. Tsy mipetrapetraka ihany koa ny fanendrena tompon’andraikitra ambony 50 mahery nandritra ny filankevitry ny minisitra farany natrehin`ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina ny alakamisy lasa teo. Raha fehezina, hanomboka eto ny ady eo amin`ny MAPAR sy ny HVM.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT