Taorian'ny fanambarana ofisialy nataon`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny voka-pifidianana ofisialy tamin`ny fifidianana Filoham-pirenena, niarahaba sy nandefa hafatra ny Filoham-panjakana, Rivo Rakotovao, amin`ny maha filoha voafidy tamin'ny fomba demaokratika an`i Andry Rajoelina. “Ny fifidianana dia mangarahara sy mifamatotra, ary ny valiny dia eken`ny rehetra”, hoy ny filoham-panjakana.
Nirary soa an`ny Filoham-pirenena vaovao ny tenany ho amin`ny tsara indrindra amin'ny fanatanterahana ny hoavin'ny firenena, amin'ny maha filoham-pihavanana azy, ary hibanjina ny soa iombonana. Enga anie hanohy ny ezaka sy ny asa ka tsy hikely soroka hametraka ny tena fampandrosoana maharitra, efa nofaritana hatramin`izay mba handovan`ny taranaka Malagasy maha te ho tia ary koa hanatanteraka ny iraka mendri-piderana amin`ny fanompoana ny tanindrazana sy ny vahoaka Malagasy rehetra, hoy ny Filoham-panjakana, Rivo Rakotovao, tamin'ny hafatra nataony ho an`ny Filoham-pirenena vaovao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.