Tontosa omaly alatsinainy 7 janoary ilay lanonam-panjakana fifampiarahabana noho ny taona vaovao, teny Iavoloha.
Nandritra ny lahateniny, nanambara ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao fa tsy nivaona tamin`ny voafaritry ny lalàna ny asa nataony tao anatin`ny efa bolana. Tsy azo ekena intsony kosa ny hidiran`ny firenena amin`ny krizy vaovao ka fitoniana sy filaminana no andrandraina amin`izao fiandrasana voka-pifidianana avy amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izao. Niarahaba sahady izay ho filoham-pirenena vaovao lany eo ny tenany ary nilaza fa efa mafy orina ny fototra ary maro ireo tetikasa mbola azo tanterahina satria nety ho an`i Madagasikara ny taona 2018 ho an`ny sehatra toekarena na teo aza ny savorovoro teto amin`ny firenena. Ny filohan`ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy ihany koa dia miantso fitoniana eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy eo anivon`ny HCC na dia misy aza ny lesoka tokony harenina amin`ny fifidianana manaraka mandritra ity taona 2019 ity. Nanolotra soso-kevitra ity filohan`ny Andrim-panjakana ity fa ho laharam-pahamehana ny fanamboarana hahalavorary tanteraka ny fifidianana ho avy ka anisan`izany ny fanisam-bahoaka biometrika mba hahazoan`ny olona rehetra mahafeno fepetra hisitraka ny zony. Miantso ny fandraisana anjara ny rehetra, hoy ny filohan`ny Antenimierandoholona, mba hanarenana ireo lesoka nisy nandritra ny fifidianana mba tsy hiverenany intsony. Mila ny hery velona rehetra eto amin`ny firenena ny filoham-pirenena vaovao mba hisian`ny fampandrosoana maharitra, hoy i Elyachroutu Mohamed (Kaomorianina), Masoivoho zokiolona lefitra vahiny, ary nanamafy fa matoky ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) amin`ny fitsarana ireo raharaha eny Ambohidahy. Nandritra ny lahateny nifanesy nandritra ny fampiarabahana teny Iavoloha dia miantso fitoniana avokoa ireo rehetra nandray fitenenana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.