Politique

Rivo Rakotovao Miverina ho filohan’ny Antenimierandoholona


  • Sabotsy 19 Janoary 2019

Nanatanteraka ny adidiny teto amin`ny firenena ny filoham-panjakana mpisolo toerana, Rivo Rakotovao, taorian`ny fifandimbiasam-pahefana teo amin`ny filoham-pirenena roa tonta.

 

 

 Vao nivoaka ny toeram-piasan`ny filoham-pirenena i Rivo Rakotovao dia miverina maka ny toerana amin’ny maha filohan’ny Antenimieramdoholona azy. Nanomboka ny 7 septambra 2018 izy no nisolo toerana sy nandray ny andraikitry ny filoham-panjakana satria nilatsaka hofidiana i Hery Rajaonarimampianina. Araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana malagasy tamin’ity repoblika fahefatra ity, dia tsy maintsy mametra-pialana 60 andro mialoha ny fifidianana filoham-pirenena ny filohan’ny repoblika am-perinasa raha hilatsaka hofidina amin’ny fotoam-pitondrana manaraka. Ny filohan’ny Antenimierandoholona no misolo azy vonjimaika amin’ny toeran’ny filohan’ny repoblika mandritra io fotoana io, hatramin’ny andraisan’ny filohan’ny repoblika vaovao ny toerany. Hiverina haka ny toerana maha filohan’ny Antenimerandoholona azy, i Rivo Rakotovao, satria tsy nametra-pialana fa niova andraikitra.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT