Nanao ezaka be isika mba hizoran’ny fifidianana araka ny tokony ho izy, hoy ny Filoham-panjakana vonjimaika Rivo Rakotovao, taorian’ny fandatsaham-bato nataony omaly teny Nanisana.
Nisaotra sy nankahery ireo rehetra miantsoroka ny fifidianana ny tenany, ary nankasitraka ihany koa ireo mpanara-maso ny fifidianana satria tena asa lehibe no hiantsorohan’izy ireo izay andrasana izay hambaran’izy ireo. Manantena sy mirary ny hisian’ny valim-pifidianana madio sy eken’ny rehetra. Manantena aho fa tsy hitondra olana ho an’ny firenena ity fifidianana ary ao anatin’ny fanajana ny demokrasia, hoy hatrany I Rivo Rakotovao. Raha ampahatsiahivina dia miisa 24 852 ny birao fandatsaham-bato tamina fokontany 18 333 tamin’ity fifidianana ity, ary 9 913 599 ny mpifidy voasoratra anarana. Niezaka naneho moa ny Filohan’ny CENI, fa tsy miandany izy ireo amin’ny fikarakarana ny fifidianana ary izy aza dia nilaza ampahipemaso fa tsy hifidy, ka dia andrasana hoe tena madio tokoa ve sa tsia ny fifidianana, fa raha ny hita aloha dia isan’ny be fanakihanana indrindra iny fifidianana iny. Miandry am-pahatoniana ny vokany ny rehetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.