Politique

Rivo Rakotovao ho Filoha Krizy vaovao ho an’i Madagasikara


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Ny filohan’ny Antenimierandoholona no voafaritry ny lalàmpanorenana fa mandray ny toeran’ny filoham-pirenena raha mbola hirotsaka hofidiana izy, araka ny voalazan’ny andininy faha-46.

 Ny filoha nasionalin’ny Antoko HVM teo aloha, Rivo Rakotovao mazava ho azy no handray ny toeran-dRajaonarimampianina raha hirotsaka izy satria tsy maintsy miala 30 hatramin’ny 60 andro mialoha raha ny voalazan’ny andininy faha-47. Hatry ny ela rahateo ny HVM no nilaza fa Rajaonarimampianina no hatosika sy ampirisihina hirotsaka, ary mety ny 10-11 aogositra amin’ny fihaonamben’ny HVM any Antsiranana no havoaka ofisialy izany. Ny 7 septambra no miala Rajaonarimampianina raha hiala. Vao mainka ho krizy vaovao eto amin’ny firenena anefa io, rehefa dinihina ny zava-misy ara-politika amin’izao. Fitakiana fony nisian’ny tolon’ny fanovana dia efa nisesisesy ny tsy fankasitrahana ny mety handraisan’i Rivo Rakotovao ny toeran’ny filoham-pirenena. Tsy misy antoka mazava rahateo fa tsy hitanila ny fanjakana eo na dia fampandehanan-draharaha aza no tokony hatao mandra-pahatonga ny filoha vaovao. Efa ireny niaraha-naheno ireny rahateo ny nambaran’i Rivo Rakotovao teny amin’ny Hotely Carlton ny 27 jolay lasa teo fa tsy maharesy antsika ireo mantsy ny hafa satria efa tsara fiomanana, hono, izy ireo. Ny hafa izany, dia maivan-danja avokoa. Ekena hoe mety ho fankaherezana ny mpikatroka HVM izany, fa azo adika ho efa fananana fanantenana amin’ny zava-dratsy hampandresena ny antokon’izy ireo, toy ny resaka hala-bato. Ny fampiasana ny lehiben’ny faritra hampandresy ny HVM moa io iaraha-mahalala, ankoatra ny mety ho fanambatambazana ny lehiben’ny distrika sy Prefe, izay karazan’ny efa nahazo toromarika im-betsaka tany an-dapa. Ho raikitra ny rombo politika vao misy zavatra midilatra ka mampitombina ny ahiahin’ny maro eo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT