Ora sisa isaina dia ho tonga sy ho to ilay fitakiana nohirahiraina teny amin’ny kianjan’ny 13 mey hoe : “miala Rajao”.
Miova ny tantana ankehitriny ka ny olona akaiky azy dia i Rivo Rakotovao indray no dodona mafy hatry ny ela amin’io, raha toa ka malahelo mafy io toerana io kosa ireo akaiky ny filoha, indrindra ny tenany satria mangidy ny hamela seza izany. Manomboka mametrapetraka ny olony i Rivo Rakotovao, ao anatin’ny Antenimierandoholona. Misy ny mpiasa mihorohoro noho ny fanesorana amboletra ary efa nisy no niharany, raha ny vaovao azo. Tany Sina ny filoha fa i Rivo Rakotovao kosa toa efa manomana sahady ny ho lasa filoha tsy mila fisasarana betsaka, ary te hanao pi-maso amin’ny sehatra iraisam-pirenena tahaka ny Vondrona Afrikanina, fa izy no ho lehibe eto amin’ny tanàna atsy ho atsy. Re mantsy fa nanatona ity vondrona ity ny tenany. Nanao inona tany ? Izy no hibitaka voalohany vao miala eo ny filoha. Hanana sata manokana sy hisitraka tombontsoa tahaka ireo filoham-panjakana teo aloha ve anefa izy ? Misy anefa ny lalàna fehizoro mamaritra ny fahefan’ny filoha misolo toerana sy ny azony atao toy ny fampandehanan-draharaha andavanandro ihany. Tokony hisy araka ny ambaratongan’ny lalàna hoe lalàmpanorenana, lalàna fehizoro, ary ny lalàna tsotra, ka tsy maintsy ny lalàna fehizoro no mamaritra an’io, hoy ny mpahay lalàna sady loholona Honoré Rakotomanana, izay nesorina amboletra nosoloina an-dRakotovao ny 12 oktobra 2017. Tsy voasoritra any anaty lalàmpanorenana ny fahefana ananan’ny filoha vonjimaika. Afaka mangataka eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny rehetra, ary io rafi-panjakana io no tompon’ny teny farany afaka mamaritra ny andraikitry ny filoha vonjimaika, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.