Isaky ny 12 janoary no fotoana hanamarihana ny andron’ny manamboninahitra, fotoana hanehoan’izy ireo ny firaisankina sy ny fiombonana.
Tahaka ny isan-taona dia nanamarika izany niaraka tamin’ny filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ireo manamboninahitra miasa eo anivon’ny fiadidian’ny filoham-pirenena. Natao hanamafisana ny firahalahiana izy io, ka tena mampiavaka azy ny fandraisan’ny zandriny indrindra eo amin’ny galona ny fibaikoana amin’io andro iray io. Navoitran’i Rivo Rakotovao nandritra io fotoana io tena zava-dehibe ity andron’ny manamboninahitra ity hahafahana manamafy sy mampiseho ny andraikitra sy ny maha fitaratra azy ireo amin’ny fanompoana ny vahoaka sy ny tanindrazana. Nisy moa ny fananganana ny sainam-pirenena sy ny an’ny Akademia Miaramila, narahin’ny fanolorana gisa ho an’ny filoham-panjakana. Nitohy tamin’ny hazakazaka madinika sy hetsika ara-panatanjahantena samihafa. Tombanana ho fotoana farany na faramparamparany niarahan’Atoa Rivo Rakotovao sy ireo manamboninahitra eo anivon’ny fiadidian’ny filoha iny satria hiala tsy ho ela amin’ny toerana maha filoham-panjakana vonjimaika azy ny tenany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.