Politique

Rivo Rakotovao Efa tena maika ho filoham-pirenena


  • Zoma 24 Aogositra 2018

Ny lalàna no mametra ny hisolotena ny filoha raha hirotsaka hofidiana izy, ary efa miomana amin’izay ny fitondram-panjakana satria tsy azo havela amin’izao ny firenena fa handeha ny fifidianana, hoy i Rivo Rakotovao.

 

 Efa miomana fatratra ny handray ny toeran’ny filoha i Rivo Rakotovao raha ny zavatra nambarany omaly. Ny fahitana azy dia toa nanery an-kolaka an-dRajaonarimampianina hametra-pialana ny fialany ho tsy ho filoha nasionalin’ny HVM ny 27 jolay lasa teo. Handeha mora ho azy ve izany ? Tsaroana tsara ny tolon’ny depioten’ny fanovana hoe tsy manaiky ny handraisan-dRakotovao ny toeran’ny filoha.  Mikasika ny isan'ny kandida ho filoha kosa, dia amin’ny maha olom-pirenena tsotra azy, be loatra ilay 36, saingy rehefa nahafeno fepetra ny olona dia milatsaka. Ho an’ny HVM, dia rehefa hirotsaka tsy maintsy mieritreritra ny handresy, eo anatrehan’ny fifidianana. Tsy manambany ny sasany, fa izahay dia efa niomana hatry ny ela. Nisy moa omaly ny fitsidihana nataon’ny delegasionina manokana avy any Vietnman notarihin’Atoa Lê Huy Hoàng nitsidika azy teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosy. Naneho ny fahavononany hiara-kiasa amin’i Madagasikara ny Vietnamianina amin’ny sehatra maro, toy ny jono, fambolena, fifandraisan-davitra,… ary isan’ny tena mitana anjara toerana goavana any Mozambika ny Vietnamianina amin’io sehatra farany io. Vonona ny haneho sy hampihatra ny traikefqny momba ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara. Naneho ihany koa ny firariantsoa ho an’i Madagasikara hahatontosa soa aman-tsara ny fifidianana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT