Riribe sy ny G.M.T

Toamasina Manohana hatrany an’i Hery Rajaonarimampianina


  • Alakamisy 23 Aprily 2015

Manoloana ny fanaratsiana sy fanelezana lainga marivo tototra ataon’ireo vondron’olom-bitsy efa nanapotika ity firenena ity dia manambara ny tenako riribe sy ny firohotana g.m.t/toamasina na “gasy masina amin’ny taniny” fa vonona ny hanohy ny fanohanana ny fitondrana hery rajaonarimampianina izahay

 

  satria io izao no fitondrana voalohany teo amin’ny tantaran’i madagasikara ho fitondrana azo tamin’ny fomba demokratika tamin’ny alalan’ny fifidianana ary tsy nisy ra nandrika. ity fitondrana ity ihany koa no nanatanteraka voalohany ny “fampihavanam-pirenena” hanafoanana ny lonilony nateraky ny hadalana nataon’ireo mpitondra nifandimby teto. aminay,  hoy riribe, dia tokony hiditra ao anatin’ny fehin-kevitr’io fampihavanam-pirenena io ny mahakasika ny filoha teo aloha marc ravalomanana. ny filoha hery rajaonarimampianina no nandimby ireo mpitondra nifandimby teto  ary tsy maintsy hanarina ny fahantran’ny vahoaka efa tena fadiranovana, ny firenena potika vokatry ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ny kolikoly, ny fanodinkodinana volam-panjakana ary ny fanaparam-pahefana sy ny didy jadona nisy. manginy fotsiny ny tsy maintsy niatrehana an’ireo loza voajanahary sy ireo fitokonana tetsy sy teroa nisy teto. izy no namerina ny fitokisan’ireo mpamatsy vola avy any ivelany sy ireo vondrona iraisam-pirenena izay olana tsy voavahan’ny  fitondrana tetezamita mihitsy. tsy azo hodian-tsy hita ireo fampandrosoana maro vitan’izao fitondrana izao tao anatin’ny herintaona monja. noho izany dia manamaloka marindrano ny fihetsik’ireo mpanao politika sasany efa namotika ity firenena amin’izany famafazana lainga izany izahay. aoka mba ho eken’ny rehetra ny fifandimbiasam-pahefana ao anatin’ny fanajana ny soatoavina demokratika.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT